<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H.O.C. Zinck</author>
<hymn_number>252</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 « Mba avelao ny zaza
 Hanatona Ahy re,
 Fa an'ny toa azy
 Ny fanjakan'ny Ray ! »
 Izany teny tsara
 No ifalianay,
 Ka dia tsy rarana
 Ny zazakelinay.

[V2]
 Ao amin'ny batisa
 Trotroiny izahay,
 Ka tena voaisa
 Ho zanany indray,
 Atsangany handova
 Ny fahasambarana,
 Fainan-tsy miova
 Sy fiadanana.

[V3]
 Sakaizanay malaza
 Ry Jeso, Hianao,
 Finaritra ny zaza
 Miankina Aminao.
 Ampio, ry Mpamonjy,
 Ny ondrikelinao,
 Ho tonga voavonjy
 Ao anatrehanao.</lyrics>
<title>Mba avelao ny zaza FFPM252</title>
</song>